<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ry Jeso ô ! Sakaiza
 Mpamonjy tia anay !
 Raha mbola mianjera
 Ny rian-drano be ;
 Mifofofofo mafy
 Ny rivo-doza be,
 Vimbino izahay re,
 Mba tsy ho faty ao.

[V2]
 Arovy izahay re,
 Ry Jeso Tomponay !
 Ambara-pahalasan'
 Ny loza izay manjo ;
 Dia ento izahay re
 Ho any aminao,
 Ka raiso ny fanahy
 Ho faly aminao.

[V3]
 Kanefa raha mbola
 Hijanona izahay
 Atý ambony tany
 Ka malahelo fo,
 Na misy fahavalo
 Miady aminay,
 Avia Jeso Tompo,
 Ampio ny olonao !

[V4]
 Tsy tambonay isaina
 Ny olona aminao ;
 Hiadana tokoa
 Izay horaisinao ;
 Fa Jeso no Sakaiza
 Anjely maro be
 No hiaraka aminay ao
 An-dapa rahatrizay.</lyrics>
<title>Ry Jeso o! Sakaiza FFPM575</title>
<hymn_number>575</hymn_number>
</song>